🔗 ⚙️

Velirano from Devl by LohArano

Tracklist
4.Velirano2:15
Videos
Lyrics

" Ry vahoaka malagasy
EFa mandry fahalemana,
Tsisy intsony ny rà alatsaka
Eto aho hianteherana!
Ry malagasy tsy vakivolo,
Ho atsangatsika ny drafitrasa,
Ho atsangatsika ny tranompako
Dia ho masina ny tanindrazana!

RY OLOM-PIRENENA HENOY AHO!
IZAHO ANIE ILAY ***'ALIKA EKEO AHO
HOGADRAINA SY HO VONOINA IZAY SAHY MITENY EO!
DIDIJADONA DEMOKRATIKA NO ASESIKO AMINAREO!

Ref: Mijaly Malagasy e
Mijaly zaza gasy e
Mijaly tanora gasy e
Mijaly Malagasy e

" Ry tanora malagasy
Ho avin'ny firenena!
Hampanantenaiko anao ny fampianarana mendrika ny tena!
Any aoriana any ianao raha tonga saina tsy mahay manisa,
Velirano no ataoko aminao, ho azonao foana ny paradisa!

Ref: ...

Ry mpanagotry firenena, mijaly ny vahoaka, noana, maty, mosary!
Mifanimba ny boto! Mifandrombaka an'izay kely hananana,
Mifangaro amin'ny loto! Tsy mahita izay lanitra ho takarina!

Ref: …

Credits
from Devl, released June 15, 2024
Written & composed by LohArano
℗ & © 2024 Libertalia Music & Wiser Records
LicenseAll rights reserved.
Tags
Recommendations