Dinjà from Devl by LohArano
Tracklist
| 2. | Dinjà | 2:52 |
Lyrics
Aiza re ‘lay fanajana dradradrain’lah isan’andro.
Aiza re ‘lay fihavanana lalalalain’lah !
aiza ‘re ‘lay fanahy tsara fa hoe mpivavaka isan’andro.
« Mihinan’ny anganony e, fa moramora e »
Ialahy ‘de manaiky ho vidian’ireo dimanjato
namidy e, ‘lay fihavanana namoramorain’lah
Anda ore, fa ny aina efa vohavidin’lah dimanjato
dia andao ‘re hiara ihinana ny anganony eo.
« Mihinan’ny anganony e, fa moramora e »
REO ! POTEHO !
nandohalika ho azy ho fananan’dreo !
VONOHY ? RAH TSY MANAIKY
Natakalony vola ny fanahin-dreo.
Dia ‘zay re lay fiainanay moramora eto dago.
tezaina ny tsy ahataka-davitra, mora hamidy o
Mampalaelo e, Mampalaelo e
Marary saina iray tanana !
manota fady ho an’ny Jala.
Hamidy hatrami-fahotana.
Tsy af-miaina am-pahalemena.
Dinjà dia ampy HAMPIONDRIKA !
Credits
Written & composed by LohArano
℗ & © 2024 Libertalia Music & Wiser Records








